-
3
pages
-
Malagasy
-
Documents
-
2013
Description
FAMPITAM-BAOVAO Fanolorana fitaovana ho an’ny RNM – TVM ao Soalala sy Mitsinjo Tamin’ny 11 ora atoandro, ny Alatsinainy 29 Aprily 2013, no tonga teto amin’ny foiben’ny RNM sy TVM Mahajanga ny Minisitry ny Serasera RAHAJASON Harry Laurent, tonga nanolotra amin’ny fomba ofisialy ny fitaovana ho an’ny haino amanjeri-manjakana (RNM – TVM) ho an’ny Distrikan’ny Soalala sy Mitsinjo. Tamin’ny fomba tsotra no nanaovana ny lanonana, ny tomponandraikitra sy ny lehiben’ny sampandrahara eo anivon’ny RNM sy TVM aty amin’ny Faritra Boeny, nohotronon’ireo Lehiben’ny Distrika roa avy any Soalala sy Mitsinjo. Ny lehiben’ny Distrikan’ny Soalala, Manjakasoa Mparany, no nandray fitenenana voalohany, ka nandritra izany no nanambarany fa “voavaha tanteraka manomboka izao ny olana iainanan’ny mpiasan’ny RNM sy TVM” ao amin’ny Distrika iadidiany, sambany hoy izy, hatramin’izay nahalehiben’ny Distrika azy, no nisy mpiasan’ny haino amanjerim-panjakana manana fitaovana maharaka ny toetrandro sy mifanaraka tanteraka amin’ny firimorimon’ny fandrosoan’ny teknolojian’ny asa amin’ny Onjampeo (Radio) sy ny Fahitalavitra (Télévision). Nambaran’ity Lehiben’ny Distrikan’i Soalala ity fa : “tsy isalasalana hoy milaza fa mitondra aina vao sy fampandrosoana ny Distrika, eo amin’ny lafin’ny serasera sy fanarahana vaovao rehetra, ity ezaka ataon’ny Ministeran’ny Serasera ity.
-
Publié par
-
Publié le
29 avril 2013
-
Langue
Malagasy